« Tsy handrombaka fahefana aho, fa hiverina amin’ny alalan’ny latsa-baton’ny vahoaka »
Ho kandika Ben’ny tanàna ao anatin’ny kaominina Antehiroka Razakandrainy Bezoro amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy izao. Tsy handrombaka fahefana aho, hoy izy, fa hiverina amin’ny alalan’ny vato omen’ny vahoaka ahy izay tsiahivina fa maniry fatratra ny hiverenany noho ireo asa fampandrosoana ny tanàna marobe efa vitany. Efa betsaka sahady ny fandaharan’asan’ity kandida Ben’ny tanàna ao anatin’ny fikambanana hasin’Antehiroka ity. Ankoatra ny fitarihana ny tsirairay handray ny andraikiny eo amin’ny fiarahamonina sy ny fehim-pihavanana dia anisan’ny imasoany ihany koa ny fanatsarana sy fampandrosoana ary fampiroboroboana ny fiainam-pianakaviana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fijerena manokana ny lafiny fandriampahalemana, ny sehatry ny fanabeazana ary ny lafiny fahasalamana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.