Actualités

Razafisoa Jeanne, 73 taona Tsy kivy na tsy afaka bakalôrea aza


  • Talata 06 Septambra 2016

Mbola vonona ! Izay no nambaran-dRazafisoa Jeanne, iray renim-pianakaviana, 73 taona, zokiolona indrindra tamin’ireo mpiadina bakalôrea nanerana ny Nosy tamin’ity 2016 ity.

Tsy afaka izy, na fanindroany niadina bakalôrea aza, tao amin’ny sokajy “série A2”.  Nilaza Razafisoa Jeanne fa tsy mahakivy azy ny vokatra, fa mbola vonona ny hiatrika fanadinana amin’ny taona ho avy. Tsy tafita ihany koa i Tsiampoizina Arlanzia, ilay tovovavy 18 taona, teraka tao anatin’ny fanadinana saingy tsy azo ny zanany. Nikiry namita ny fanadinana hatramin’ny farany i Arlanzia, ary nanantena ny ho afaka saingy tsy tafita. Sokajy ankapobeny “série A2” ihany koa izy. Samy niadina tao Sambava izy mianaka. Nivaly ny faran’ny herinandro teo ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Sambava, ka 29,45% ny taham-pahafahana tamin’ity, ka 497 tamin’ireo 1.594 voasoratra anarana no afaka tamin’ny « série A2 », izay manome 31,18%.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT