Notoloran’ny vadin’ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra Fafah Andriamanjato fanampiana avokoa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tena sahirana eto an-drenivohitra.
Boriborintany miisa efatra anatin’ireo enina misy no noteteziny omaly ka ray aman-drenin’ny mpianatra 10 isaky ny sekoly ambaratonga fototra no notolorany izany. Fitafiana maromaro no natolotra izay tsy misy hifandraisany velively amin’ny fanampiana ireo traboina amin’izao fotoam-pahavaratra izao fa natokana kosa hanampiana azy ireo. Ny talen-tsekoly no nitily sy nanao ny fifantenana ireo tena sahirana raha araka ny fanadihadiana natao. Mbola hitohy anio izany ao anatin’ny Boriborintany fahadimy sy fahenina. Tsara moa ny manamarika fa ray aman-drenin’ny mpianatra amina EPP marobe no efa nahazo izany toy ny EPP Antanimbarinandriana, Behoririka, Ampahibe, Mahamasina Atsinanana...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.