Tokana ary tsy mizarazara araka ny feo mandeha hatreto ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny depiote Ravelonanosy Mamy Tiana voafidy tany Ankazobe filohan’ny vaomieran’ny fanajariana ny tany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena
Samy mandala sy mankato ny fifampidinihana sy fifampiresahana avokoa izahay rehetra hatreto, hoy izy, araka ny hafatra nampitain’ny prezidà Marc Ravalomanana, miainga any amin’ny filohan’ny movansy izany ary tsy maintsy tonga any amin’ny fampihavanam-pirenena. Izany fampihavanana izany no tontosa moa, hoy ity depiote ity, dia tsy maintsy misy ny fifandeferana eo amin’ny samy tsy mitovy hevitra. Haverinay fa tsy misy afa-tsy ny fiampiresahana ihany no mitondra fitoniana eto amin’ity firenena ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.