Actualités

Ravalomanana sy Rajoelina Samy hirotsaka hofidiana ?


  • Alakamisy 29 Janoary 2015

Nivory fanim-pitony, isa masina, ireo Filoha dimy mirahalahy mianaka omaly, fivoriana izay notarihan’ny Raiamandreny FFKM natao tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Raha ny tatitra nataon’ny Filohan’ny FFKM Pastera Lala Rasendrahasina dia nifantoka tamin’ny fanomanana ny fakana ny hevitry ny isam-paritra momba ny fampihavanam-pirenena ny dinika, izay arahina fihaonana nasionaly ary hofehezina miaraka ny 15 martsa ho avy izao.


Ao anatin’izany anefa dia ezahan’ny mpikarakara ihany koa ny hampidirana ny Solombavambahoaka amin’ny dinika. Midika izany fa havadika lalàna izay rehetra tapaky ny mpizaika mandritra ireo dinika samihafa isan’ambaratongany. Tamin’ny tatitry ny FFKM afak’omaly dia nilaza ny Pastera Lala Rasendrahasina fa hisy ny vaomiera vitsivitsy hatsangana, ka ny hampiavaka azy amin’ity indray mitoraka ity dia hiampy ny vaomieran’ny fahamarinana, fampihavanana sy ny fanonerana ny simba ho an’ireo niharam-boina noho ny krizy rehetra nandalo teto amin’ny firenena.

Mampahatsiahy ny zava-misy tamin’ny krizy ny taona 1991, izao fandehan-draharaha izao, izay nisian’ilay fifanarahana nantsoina hoe “Convention du 31 octobre”, izay nataon’ireo lohandohan’ny Mpisorona teto amin’ny firenena tao amin’ny hotely lehibe Panorama; Taorian’izay dia nisy ny Fihaonambe isam-paritra narahina «Forum national», nananganana vaomiera handinika momba ny Lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny vaomiera handinika ny toekarena sy ny sosialy. Ary dia niafara tamin’ny fananganana tetezamita izay notarihan’i Guy Willy Razanamasy izany, izay Governemanta nahaleotena, satria ny amiraly Didier Ratsiraka dia natao Filoha haingon’ny Firenena fotsiny ihany, ary i Pr Zafy Albert izay nitarika ny Hery Velona tamin’izany no natao Filohan’ny HAE (Haute Autorité de l’Etat).

Noteren-ko masaka

Izy dimy mirahalahy nivory efa im-pito izao ve tokoa dia tsy hahita marimaritra iraisana momba ny hivoahana amin’ny krizy ? Efa nitety firenena maro tokoa manko i Madagasikara namaha io olana izay teraka taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 io, ary efa nirotsaka nanelanelana tao avokoa ireo firenen-dehibe, ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC fa niala maina avokoa, hany ka nafatotra haingana tamin’ny Tondrozotra, izay tsy nampiharina tanteraka akory.

Noteren-ko masaka ny fifidianana ka rehefa niova in-droa ny CES, izay rafi-pitsarana manokana najoro hisahana ny fifidianana, dia nilatsaka ny antsibe avy amin’ny iraisam-pirenena fa tsy mahazo mirotsaka hofidiana i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Namboamboarina fotsiny moa avy eo ny hoe, tsy ara-dalàna ny firotsahan’i Didier Ratsiraka sy Ramatoa Lalao Ravalomanana, fa tsy nisy tsy nahafantatra ny hoe : ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina no tsy navela hirotsaka, satria natahotra ny zava-nitranga toy ny tany Côte d’Ivoire, izay mbola namaivay tamin’izany, ny Vondrona iraisam-pirenena, ka hoe : izay resy mety hanangana ady.

Raha ny fihaonana sy ny tsikitsiky tazana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina afak’omaly teny amin’ny CCI Ivato aloha, dia mety azo heverina fa niresaka nilamina tsy natrehan’iza na iza izy mirahalahy mianaka. Mitovy rahateo hatreto ny tanjon’ny roa tonta dia ny haka ny fahefana amin’ny fomba demokratika fa tsy ireo anaram-bositra izay mivadibadika no hitondra ny tena fampandrosoana eto.

Fanovana Lalàmpanorenana ?

Etsy an-kilany, ny ankolafy Zafy Albert dia manitrikitrika ny hanovana io Lalàmpanorenana io, ny amiraly Didier Ratsiraka rahateo efa nanambara fa voatery nanao sonia ny fanekena io Lalàmpanorenana io izy raha nirotsaka hofidiana tamin’ny 2013, satria tsy ho voaray ny dosieny raha tsy manao sonia fanekena. Ny Lalàmpanorenana izay natao amboletra ny taona 2010 ihany koa dia tsy neken’ny firaisambem-pirenena, ary na ry zareo mpitondra nampandany an’io ihany koa aza dia voadona satria, raha tsy hilaza ny adihevitra manodidina ny andininy faha-54 manendry ny Praiminisitra fotsiny aza, dia manenina nanao io Lalàmpanorenana io.

Hiroso amin’ny fanovana io Lalàmpanorenana io ary ve izany ity fivoriana tanterahin’ny FFKM ity ? Izay hitarika mazava ho azy famerenana ireo fifidianana isan’ambaratongany, satria hiova ny rafitra sy ny asan’ny isan’ambaratongany ka rava izany ilay fifamatorana nifidianana ireo olom-boafidy ? Hiverina ve izany ny Fifidianana Filoham-pirenena ? Ka izay vao ny vahoaka no hitsara izay tena tiany hitondra azy, fa tsy ny anaram-bositra intsony no hofidian’ny Malagasy ? Maro ihany koa no milaza fa tsy hivaha ity krizy ity raha tsy mazava tanteraka ny hoe iza no tena manana ny maro an’isa ? Ravalomanana ve sa Rajoelina, satria izany HVM izany dia maro an’isa ara-taratasy fotsiny fa solombavambahoaka mpamadika palitao fotsiny no betsaka. Mety ho raikitra ary ve izany ilay hoe : ‘Seul Seul’?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT