Actualités

Ravalomanana sy Rajoelina Hihaona ato ho ato


  • Talata 25 Novambra 2014

Mitohy isan’andro ny fivorian’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM momba ny fiatrehana ny fampihavanam-pirenena. Nisongadina tamin’ny vaovao hatry ny omaly ny fivorian’izy ireo any Mahajanga, fa teo ihany koa ny feo nandeha fa hisy ny fampihaonana ny filoha teo aloha Marc

Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, izay mbola any ivelany moa fa hiverina an-tanindrazana amin’ity herinandro ity raha ny siosion-dresaka re. Fihaonana faninefany taorian’ny nanombohan’ny krizy izy ity izany raha raikitra satria efa nisy ny fihaonana volohany teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola ny volana janoary 2009, nisy indray avy eo ny fihaonana tany Maputo ny volana aogositra 2009 raha nodinihana ny fandrafetana ny tondrozotra, ary ny fihaonana tany Seychelles tamin’ny 2012 .

Nohafainganin’i Dada

Tena azo tsapain-tanana mihitsy izao fa nanafaingana ny fampihavanam-pirenena ny fiverenan’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara. Maro ihany mantsy ny kabary sy ny resaka natao hatrizay, saingy tato anatin’ny 2 herinandro izao vao tena nihazakazaka ireo dingana ho amin’ny fampihavanana. Tsara tsiahivina kely fa efa tamin’ny 25 janoary no nilaza ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa horaisiny an-tanana ny fanaovana ny fampihavanam-pirenena saingy tsy tena nisy ny dingana lehibe vita tahaka izao nataon’ny FFKM tao anatin’ny 2 herinandro izao. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nangataka ny fihaonana teo amin’ny sy Hery Rajaonarimampianina tany Afrika Atsimo tamin’ny 24 mey 2014, tsy nisy nipika ny resaka tao fa noheverina kosa fa manodidina ny famihavanam-pirenena sy ny fodian’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara.Novinavinaina taorian’io fa hisy ilay fihaonana an-tampon’ireo filoha nifandimby mialoha ny fetim-pirenena ny 26 jona saingy tsy raikitra izany. Natory ny resaka fampihavanana nanomboka teo, taty amin’ny fiandohan’ny volana oktobra nanambara tamin’ny fomba ofisialy Atoa Ravalomanana fa manohitra tanteraka ny fitondrana ary tsy hiray tsikombakomba mihitsy amin’ny fanapotehana ny firenena. Tafaverina an-tanindrazana izy ny 13 oktobra ary nosamborin’ny fanjakana avy hatrany, tonga dia naterina any Antsiranana ary migadra any mandraka ity ny androany.

Tsy ho ela …

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT