Actualités

Ratsy fanomanana


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Efa azo sary an-tsaina dieny izao ny mety ho endriky ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao rehefa nahita ny zava-nisy nandritra ny fivorian’ny Comesa


.Voatohintohina tanteraka ny fahafahan’ny olona mifamezivezy noho ny fanenjanana ny fitandroana ny filaminana. Voatery miafy ny ny olon-tsotra amin’ny delestazy voarindra satria tsy azo atao maizina mihitsy ny toerana ivoriana sy ipetrahan’ireo vahiny manan-kaja. Nikorontana kely mihitsy ny fiainan’ny olona teto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny herinandro izay noho ilay fihaonana an-tampony faha-19 an’ny Comesa atao eny Ivato. Vao 19 anefa ny firenena mandray anjara amin’izy io. Hanao ahoana io rehefa 53 ny firenena ho avy eto afaka iray volana ? Etsy an-kilany, mahamenatra ny tsy fahafehezantsika Malagasy ny resaka arofenitra sy fandaminana asa amin’ny ankapobeny toy ny vahiny miandry ela vao tafiditra, fahatarana amin’ny fizarana “badge”, tsy fahatomombanan’ny fanamafisam-peo sy ny fandikan-teny. Tsy sanatria manao tsindrio fa lavo fa efa tena be loatra ilay tsy fetezana. Tsy resaka hoe manao zavatra tsy mora no hialana bala fa ratsy fiomanana ny zavatra iray matoa betsaka ny mikorontana ao. Nahoana ny an’ny olona no tsy misy tomika fa mandeha tsara saingy rehefa eto Madagasikara dia misy savorovoro kely foana ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT