Actualités

Ratsimbazafy Jean Paul Mila harindra ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany


  • Talata 06 Desambra 2016

Taorian’ny fahatotosan’ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia andiany faha-16 farany teo teto amintsika dia efa mitodika aty Madagasikara ny mason’ireo firenena vahiny maro ankehitriny eo amin’ny ezaka fanaingana indray ny tontolon’ny toekarena Malagasy amin’ny fiaraha-miasa matotra amin’izy ireo.

 

Fantatra fa vao nahazo famatsiam-bola goavana  avy any ivelany  koa isika ary efa nanambara ampahibemaso ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, hoy Atoa Ratsimbazafy Jean Paul mpanao politika, fa hanara-maso akaiky ny fomba fampiasana ny famatsiam-bola azo. Amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny harena ankibon’ny tany ahy  teo anivon’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha ahy, hoy izy,  dia anisan’ny hampiakatra haingana ny toekarena Malagasy ny fijeren’ny filoham-pirenena manokana ny manodidina an’ity sehatra iray ity. Misy tsy mazava loatra ny amin’ny fanavakavahana ireo teratany vahiny miditra eo amin’ity sehatra ity ankehitriny, hoy izy, satria misy amin’izy ireo toy ny teratany Sri-Lankey avela hiasa malalaka ihany fa misy kosa ireo  hilana antsojay fotsiny izao. Tokony horoahina na hajanona avokoa ary hampirisihana hanangana fikambanana iray izy ireo ahazoana mandrindra ny tombontsoan’ny Malagasy tokony hotakiana amin’izy ireo any amin’ny toerana hitrandrahany. Efa tena mila havoaka amin’izay ny “Code minier” Malagasy vaovao, hoy ity CT taloha ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT