Sendra an-dRasolovoahangy Roseline Emma ny Tia Tanindrazana amin’izao Andron’ny vehivavy izao.
Napetraka tamin’ity vehivavy mpandraharaha amin’ny sehatry ny fitrandrahana solika, tompon’ny orinasa Petromad sady filohan’ny fikambanana EMMA izay kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013, ny fanontaniana hoe : “Vehivavy, fanaka malemy, sao mba izay no mampihalangalana ny vehivavy Malagasy ka tsy mampandroso an'i Madagasikara ?”. Hoy indrindra izy : « Miarahaba ny vehivavy Malagasy rehetra tratran'ny Fetin'ny vehivavy 8 Marts 2016. Tany Addis Abeba ny tenako tamin’ny fiandohan’ny volana febroary 2016 namonjy ny fihaonana an-tampony Etazonia sy Afrika, dia nihaona tamin’ny Dr. Nkosazana Zuma, Filohan'ny Vondrona Afrikanina. Niteny izy hoe "The key to change the future of Africa is to maximize the participation of women". Dia ny navaliko azy hoe : Ny fanalahidy mba hanova ny hoavin'i Madagasikara dia ny fandraisana anjara mavitriky ny vehivavy eo amin'ny raharaham-barotra sy ny governemanta. Amin'ny vahoaka Malagasy dia maro an’isa ny vehivavy noho ny lehilahy, ka raha ny maro an’isa no tsy mandray andraikitra dia sarotra ny fampandrosoana”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.