Actualités

Rasoazananiera Monique “Ilaintsika ny sekoly ambony tsy miankina »


  • Alakamisy 06 Oktobra 2016

Isan’ny tafiditra ao anatin’ireo mpampianatra sy mpanabe ireo mpampianatra mpikaroka, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony, Rasoazananiera Marie Monique

 

. Hita teny Antaninarenina nandritry ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny mpampianatra sy mpanabe koa ity minisitra ity io omaly io ary nanararaotra nanazava mikasika ireo resaka karazam-pahazoan-dalana omena ireo sekoly ambony haha ara-dalana azy ireny. Rehefa avy mampianatra eo amin’ny 2 na 3 taona fara-fahabeny, hoy izy, ireny sekoly ambony tsy miankina ireny dia mahazo ny antsoina hoe  « accréditation » na ny fanekena fa feno ny fepetra maha sekoly ambony azy. Mialoha an’io anefa dia ilaina ny mahazo ny antsoina hoe “habilitation” na ny filazana fa sady ekena ny fampianarana ao amin’ilay toerana no ekena ihany koa ny vokatra azo. Ilaina, hoy izy, ireny sekoly ambony tsy miankina ireny satria voafetra ny toerana eny amin’ireo sekolim-panjakana ambony.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT