Mbola maro ny zava-boalazan’ny fifanarahana voasoratra ao anaty faideroty tsy tanteraka mandraka androany ka mbola mitohy ny tolona aty an-kianjan’ny Finoana Magro Behoririka aty Antananarivo aty, hoy Rtoa Rasoamalala Odette Brenda, ary izany no mahatonga anay mpikambana taloha tao amin’ny
kongresin’ny tetezamita mbola mijanona aty ka manohy ny fitakiana an’ireo tsy fivoahan’ny haino aman-jery rehetra nakatona ireo, ny fanokafana ny orinasa tiko, ny fahafahana tanteraky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Na izany aza, hoy izy, dia tsy maintsy miomana amin’ny fifidianana kaominaly ho avy isika ka manentana antsika aty amin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy ny Faritra Alaotra Mangoro manontolo ny tenako, hoy izy, hanomana sahady an’izay ho kandidà hatolotra amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana izany hoe hiaraka amin’ny prezidà Ravalomanana. Marihako fa tsy hisy intsony izany “parachutage” na fisiana kandidà latsadatsaka avy any ambony izany, hoy izy, fa izay tena tian’ny vahoaka sy mamim-bahoaka ary izay hahafehy ny asa ataony no tokony hatolotra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.