Noho ny fomban-tany any Atsimo taorian’ny fahavitan’ny fasan’i Rasoa Kininike ao Tongobory Betioky Atsimo, dia ny zoma 14 novambra izao no halevina ny nofo mangatsiakany. Hanomboka ny alakamisy izao, dia hisy ny
« Havoria » haharitra roa andro ho fanomezam-boninahitra azy sy fanaovam-beloma farany an’ity mpanjakavaviny Tsapiky ity, alohan’ny hanitrihana azy. Manoloana izany, dia misy ny tee-shirt sy lambahoany Rasoa Kininike hamidy mialoha sy mandritra ny « Havoria » ho fahatsiarovana azy.
« Havoria » hafanaina mpanakanto fanta-daza
Ho fiaraha-mientan’ny mpanakanto hanohizana ny firaisankina, dia nisy ny alin’ny asabotsy teo, ny « cabaret Bevata » natao tao amin’ny « Top Restaurant » Bazaribe Toliara, niarahan’ny mpanakanto rehetra ao Toliara. « Ny vola azo tamin’izany, dia hikarakarana ny ho enti-manana hahafahan’ny mpanakanto rehetra hanafana ny fotoana mandritra ny « Havoria » any Tongobory », hoy Daudet Rarivoson, filohan’ny sendikan’ny mpanakanto any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsiahivina fa maty noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antsororoky distrikan’Antsalova, ny 22 septambra lasa teo i Rasoa Kininike
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.