Actualités

RASOA KININIKE Halevina any Tongobory-Toliara


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Misaona ny faritanin’i Toliara iray manontolo sy ny vahoaka malagasy ary ireo mpankafy taorian’ny fahafatesan-dRasoa Kininike, 36 taona mpanakanto malaza nanandratra avo ny gadona Tsapiky sy Kininike avy any amin’ny faritra Atsimo andrefan’ny nosy iny, satria very olomanga ny firenena.

Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antsororoky, 4 km tsy hiditra ny tanànan’Antsalova amin’ny lalam-pirenena fahavalo iny ity mpanakanto ity izay voadona mafy tamin’ny lohany nitarika ny fahafatesany. Mpanakanto iray ao amin’ny tarika « Bemaraha mihetsika » mpanao Kilalaky antsoina hoe : Tsiandala ihany koa no maty taorian’ny fiala-nenina rehefa notsaboina dia tsy tana ny ainy. Olona 15 kosa no naratra ka anisan’izany ny zanaky Rasoa Kininike, Liko Kininike 14 taona izay may tamin’ny tanany, hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana. Tsiahivina fa avy nanao fampisehoana tany amin’ny distrikan’i Maintirano, renivohitr’i Melaky, hanohy ny fitsidiham-paritaniny any amin’ny distrakan’Antsalova Rasoa Kininike sy ny ekipany no niharan-doza izao, vokatry ny fahatapahan’ny « transmission »-ny kamiao nandehanana tao anaty fidinana ka nivadika ambony ambany, ny alatsinainy hariva teo tamin’ny 7 ora. Omaly tolakandro tamin’ny 4 ora no nalaina manokana tamin’ny fiaramanidina tany amin’ny distrikan’Antsalova toerana nahafaty azy ny nofo mangatsiakan-dRtoa Rasoa Kamisy Claudine na Rasoa Kininike, nentina eto Antananarivo ary andrasana ao amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Efa tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana teny an-toerana ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny vakoka sy ny kolontsaina, tazana teny ihany koa Atoa Maharante Jean De Dieu filohan’ny FIZATO. Raha ny fanazavan’i Mamy Gotso sy Pascal vadin-dRasoa Kininike nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro tamin’ny iray ora tao amin’ny Lapan’i Tsmibazaza dia tsy maitsy nalaina tamin’ny fiaramanidina manokana ny razana satria hatahorana ho simba. Raha mandeha fiara, hoy izy ireo, dia roa andro mahery vao tonga eto an-drenivohitra. Anio alarobia tolakandro raha tsy misy ny fiovana no hihazo an’i Toliara ny nofo mangatsiakan’ity mpanakanto nanandratra avo ny gadona Tsapiky sy Kininike ity, alohan’ny handevenana azy any amin’ny fasan-drazany ao Tongobory. « Mandria am-piadanana lie Rasoa ».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT