Mbola olana goavana eto amintsika ankehitriny ny fanovana toe-tsaina hahafahana mivoatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fahefana ny sefom-pokontany izay tsy tokony hokaramaina 20.000 Ar
intsony hahafahana mampandroso ny eny ifotony. Ireo no tena maika hoentina eny Tsimbazaza ho an-dRasamson Ny Aina, kandida solombavambahoaka laharana voalohany ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano. Ankoatra izay dia hijery manokana ny fitandroana ny aina ihany koa ny tenany hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana ankehitriny. Tena hisolovava ny vahoaka izy raha ny nambarany, fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny rehefa eny Tsimbazaza ka horebireben’ny resa-bola. Izany indrindra no nahatonga azy hilatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina “Arovantsika ny maha olona” izay tsiahivina fa tsy nanambara izao filatsahany izao mihitsy raha tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny CENI. Ankoatra izay moa dia fantatra fa hijery izay fomba hamahana ny fitohanana lavareny eny Avaradrano ny tenany, ny famatsiana rano fisotro madio, ary ny resaka fananan-tany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.