Actualités

Rasamson Ny Aina “Maika ny fanovana ny toe-tsaina …”


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Mbola olana goavana eto amintsika ankehitriny ny fanovana toe-tsaina hahafahana mivoatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fahefana ny sefom-pokontany izay tsy tokony ho karamaina 20.000 Ar intsony hahafahana mampandroso ny eny ifotony.

 

 

 

 

 Ireo no tena maika ho entina eny Tsimbazaza ho an-dRasamson Ny Aina, kandida solombavambahoaka laharana voalohany ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano. Ankoatra izay dia hijery manokana ny fitandroana ny aina ihany koa ny tenany hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana ankehitriny. Tena hisolo vava ny vahoaka izy raha ny nambarany, fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny rehefa eny Tsimbazaza ka ho voarebirebin’ny resa-bola. Izany indrindra no nahatonga azy hilatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina “Arovantsika ny maha-olona” izay tsiahivina fa tsy nanambara izao filatsahany izao mihitsy raha tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny CENI. Ankoatra izay moa dia fantatra fa hijery izay fomba hamahana ny fitohanana lavareny eny Avaradrano ny tenany, ny famatsiana rano fisotro madio, ary ny resaka fananan-tany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT