Ramatoa kely Ranto Harisoa Christiana, 21 taona, mirefy 1m71 avy ao Matsiatra Ambony no voahosotra ho Miss Madagascar 2015 ny zoma alina teo tetsy amin’ny Carlton Hotel Anosy.
Niisa 15 ireo tovovavy nifaninana taminy, izay samy nanana ny hanitra ho azy avokoa. Fivahinianana any am-pitan-dranomasina no loka goavana azon’i Christiana fa amin’ny fifaninanana fanehoana bika aman’endrika azy dia hahazo fiofanana sy fiaraha-miasa amina “agence de mannequinat” eto an-toerana sy any ivelany ihany koa ny tenany. Fitafiana efatra no nilatroan’izy ireo sy nanehoany ny hatsarany nanoloana ireo mpitsara ka ny fitafiana manamarika ny faritra niaviany avy no nentina namaranana ny filatroana. Nandritra ny lanonana famaranana dia nisy ihany koa ny fanontaniana madinidinika napetraka tamin’izy ireo mahakasika ny fahalalana ankapobeny sy ny tanjon’izy ireo raha toa ka lany soa aman-tsara amin’ity fifaninanana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.