Actualités

Ranopiso-Ankariera Olona roa notapahin-tenda


  • Alarobia 23 Desambra 2015

Zava-doza no niseho tany amin'ny Kaominina Ranopiso Ankariera, Distrikan'i Tolagnaro ny herinandro teo iny. Avy nanao fampandriantany ireto andiana mpitandro ny filaminana no voalaza fa very basy poleta iray, izay tsy mbola fantatra ny tena antony.

 

Niverin-dalana izy ireo hitady ny very. Teny an-dalana ireo mpitandro ny filaminana ireo no nahita tanora maromaro. Tsy nisy alaharo araka ny nambaran'ireo nanatri-maso, fa kapoka vodi-basy sy daka “rangers” no nahazo an'ireo tanora ireo, izay nahiahiana ho nahita an'ilay basy poleta. Voalaza aza fa maty notapahin-tenda ny roalahy tamin’ireo. Mbola misy ihany koa maratra mafy ary tsaboina any amin'ny hopitaly. Mitaky hanaovana fanadihadiana hahafantarana ny marina ny fianakavian’ireo niharan-doza. Manao antso avo amin’ny solombavambahoaka koa ireo mponina any an-toerana mba hijerena akaiky ity raharaha ity.

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT