Actualités

Ranon’orana mikija Potika ny 80%-n’ny fambolena ao Ambohimalaza


  • Zoma 28 Aprily 2017

Nisedra olana tanteraka ny kaominina Ambohimalaza nandritra ilay ora-nikija niseho afak’omaly alina teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

 Narahina havandra be mantsy izany ho an’ireo fokontany telo amin’ny 12 mandrafitra ity kaominina ity ka potika avokoa ny 80%-n’ny fambolena. Ny vary no tena nahita faisana izay ahiana hisy fiantraikany amin’ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena. Toraka izany koa ireo karazana legioma mampahalaza ity kaominina ity. Raha araka ny vaovao azo teny anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby anefa dia mbola hitohy hatramin’ny androany zoma ity ranon’orana ity, orana izay nalatsaka tany Tsiazompaniry sy Andekaleka ary Mantasoa mba hahafahan’ireo fitaovana ampiasain’ny JIRAMA mihodina araka ny tokony ho izy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT