Zava-doza no nitranga tany amin’ny kaominin’ambanivohitr’Ambinagnitelo ao anatin’ny distrikan’i Maroantsetra ny zoma 31 martsa teo.
Nitarika ny antsoin’ny mponina any an-toerana hoe ranovato ny ora-mikija efa andro maromaro izao. Mandeha mafy be misasasasa avy any amin’ny toerana ambony ny rano ka mifoaka izay rehetra sendra azy. Fantatra, araka ny vaovao voaray, fa olona 8 no maty ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany, 6 maratra mafy ary 20 tsy hita popoka tao Ambinagnitelo noho ity « rano vato » ity. Raha ny filazan’ireo vavolombelona nanatri-maso dia mandeha mafy dia mafy tokoa ny rano arahana fotaka marihitra sy vato ka mora aminy ny mandrava trano. Sarotra ny itsoahana, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny ankizy satria haingam-pandeha sady mivelatra ilay « rano vato ». Efa nisy tranga toa io tao amin’io tanàna io ny sabotsy 18 martsa, saingy tsy nisy ny aina nafoy na dia tototry ny fotaka sy ny rano aza ny tanàna iray manontolo. Miha mahery vaika isan-taona ny rotsak’orana amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny koa heverina fa handray fepetra mba ho fiarovana ny ain’ny mponina any an-toerana ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana isan-tokony. Raha ny filazan’ny manampahaizana momba ny fiarovana ny tontolo iainana iray dia ny fanimbana ny tontolo iainana tahaka ny fanapahana hazo sy doro tanety no tena mahatonga ny loza tahaka izao. Ny loza dia miady irery ny mponina amin’ireny faritra ambanivohitra ireny ary ela dia ela vao tonga ny fanampiana noho ny haratsin’ny lalana na tsy fisian’ny lalana mihitsy aza. Andrasana izay ho fihetsiky ny fitondrana foibe amin’ity loza amin’atambo nanjo ny mponin’Ambinagnitelo – Maroantsetra ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.