Actualités

Rano miakatra eto Antananarivo Mandray andraikitra ny mpandraharaha


  • Talata 16 Desambra 2014

Efa mananontanona sahady ny loza eto Antananarivo Renivohitra noho ny fisondrotry ny rano amin’ny toerana iva amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Raha somary mitavozavoza ny kaominina

tompon’andraikitra sy ny Apipa amin’izany dia nandray ny andraikiny amin’ny mpiara-belona kosa  ny mpandraharaha tsy miankina maromaro notarihin’ny orinasa Filatex. Nanomboka nanadio sy nikojakoja ny  lakandrano amina faritra maro eto an-drenivohitra tamin’ny fampiasana ireo vahoaka amin’ny asa manala sahirana izy ireo. Voakasiky ny asa ny fokontany Ankadimbahoaka sy Masay ary Ankorondrano-Andranomahery. Olona roapolo eo ho eo no miasa isan’andro ka ny orinasa Filatex no mamatsy ny ampahany betsaka amin’ny vola ilaina amin’izany. Manala tsikafona ihany koa ireo mpiasa ireo, hisorohana ny fiangonan’ny loto mety hitarika tsy fahasalamana ho an’ny vahoaka. Tena asa amin’ny fo ve no ataon’ireto mpandraharaha ireto sa manadio tena amin’ny resabe mandeha fotsiny ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT