Actualités

Rano fisotro madio Mitanila ny fisitrahan’ny Malagasy azy


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Tanjon’ny minisiteran’ny Rano, Fahadiovana, Fidiovana ny hampiakatra ny tahan’ny fisitrahana rano fisotro madio ho 67% amin’ny taona 2019 eto Madagasikara.

Nifanaraka ihany koa ireo firenena 15 mpikambana ao amin’ny SADC (Southern African Development Community) ny hampisitraka rano fisotro madio ny 76%-n’ny mponina ao aminy hatramin’ny taona 2025. 43% moa io salanisam-pisitrahana rano io ankehitriny eto amintsika, araka ny antontanisa farany navoakan’ny PSI Madagascar. Mitanila rahateo ny tarehimarika manerana ny nosy. 9% izany, ohatra, ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. 15% mahery ho an’ny faritra Melaky raha mahatratra 75% kosa ny Malagasy misotro rano madio ao anatin’ny faritra Analamanga. Zava-misy iainan’ny Malagasy anefa amin’izao taonjato faha-21 izao ny mbola fampiasana toby famatsian-drano fantsakana eny anivon’ny fiarahamonina. Tranga nisongadina tao anatin’ny taona vitsy ihany koa ny fahasahiranana manovo rano eny amin’ireny toerana iombonana ireny raha tsy hitatitra afa-tsy ny filaharana hita eto an-drenivohitr’i Madagasikara sy ny manodidina.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT