Actualités

RANO


  • Alarobia 23 Martsa 2016

Tany Tsihombe no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano omaly talata 22 martsa.


« Rano sy Asa » no lohahevitra tamin’ity taona ity, entina hanehoana fa maro tokoa ireo asa fihariana izay miankina tanteraka amin’ny fampiasana rano ho toy ny akora fototra. Tanjona ho an’i Madagasikara ny hoe hahazo rano fisotro madio ny 100%-n’ny mponina amin’ny 2025. Nitarika ny hetsika tany an-toerana ny minisitry ny rano Ndahimananjara Johanita.

 

AMBOHIMANAMBOLA
Ny faran'ny volana septambra no tokony hifindra eny amin’ny Toby fiantsonana Ambohimanambola ny zotra mihazo an'i Toamasina sy Toliara, raha eny Andohatapenaka ny zotra mihazo an'i Mahajanga sy Antsiranana.

INDE
Sokatra miisa 146 no sarona tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Mumbai (Inde), nalefa an-tsokosoko avy amin’ny zotram-piaramanidina avy aty Madagasikara.

VAVATENINA
Tovolahy roa no nosamborin’ny Andrimasom-pokonolona nangalatra voanio mbola maitso. Nodorana imasom-bahoaka ny entana halatra.

AMBILOBE
Simba ny gropy mpihary herinaratry ny Jirama. raha  1200 kW ny filana ao Ambilobe, tsy afaka manome afa-tsy 500 kW ny gropy mbola miasa amin’izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT