Tena sahiko ny milaza fa voahodidina mpamahan-dalitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas izay anisan’ny mbola mafana fo amin’ny fanohanana azy.
Na dia ekena aza ny fisian’ny tsy fahafaliam-bahoaka ankehitriny, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Betroka ity, dia mbola manana fanantenana kely ihany izahay amin’ny fahazoana manarina azy amin’izany. Soso-kevitra harosonay GJMP na Groupe des jeunes malagasy patriotiques amin’izany, hoy izy, dia ny tokony handravany io governemanta io izay efa nambaranay ombieny ombieny nefa tsy tanteraka hatramin’izao. Amin’izay mba olona tena afaka hanatanteraka ireny fampanantenana nataony ireny no hapetraka ao mba hialana amin’ny tsy fahafaliam-bahoaka. Tena tsy miara-miroso aminy fa misakana ny diany mantsy ny ankabezan’ireo notendreny anaty fitondrana ireo ary misy tsy manaraka ny baikony, hoy ny depiote Nicolas, ka lasa mandoto ny filoha. Tokony haveriny hosivanina tsara ihany koa ireo olona manodidina azy ao an-dapa, hoy Randrianasolo Jean Nicolas satria “mpijapy lamasina” no betsaka fa izay niaraka taminy hatrany am-boalohany tsy hijerena loko politika no alainy. Mbola manaitra azy hatrany izahay mpanohana azy, hoy ity depiote ity, hanafaingana ny ny fanatanterahana ny efa nampanantenainy satria hampitsanga-menatra anay any anivon’ireo vahoaka nampifidinay azy ny tsy fahatanterahan’izany. Nomarihan’ny depiote Nicolas fa hihaona amin’ny filoham-pirenena, ato ho ato, ireo nanohana azy hatrany am-piandohana ka hampahafantatra azy ireo ventin-dresaka ireo hanavotana azy. Tsy vaha-olana kosa aminy ny “ convention du 14 octobre” satria ho entin’ny mpanao politika hamatotra ny filoha fotsiny (chantage). Handrava governemanta no tanjon’io saingy natao hakana toerana avy eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.