Actualités

Randrianambinina Charles Tena mahomby ny fampiharana ny dina any Vohibe


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Misy omby any amin’ny ditrikan’i Vohibe Faritr’ Ihorombe saingy tandindomin-doza izy ankehitriny noho ny asan-dahalo izay mamely. Manomboka miampita any amin’ny distrikan’i Vohibe ny korontana avy any Iakora sy Betroka iny.

 Tsy ny ombinay no alain-dry zareo fa ombin’ny mpandranto mandeha any Manakara. Raha ny politikam-panjakana misy ankehitriny dia efa miatrika izahay manomana ny fametrahana ny dina. Tena mahomby ilay dina. Ny maha zava-dehibe azy dia zanakay ihany ilay mangalatra ka raha vao hampiharina ny dina dia ho tratra ho azy eo izay mangalatra. Tena miasa miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana izahay ary tsy azo hambaniana fa lehibe ny asany. Tsy mifanohitra amin’ny lalàna ilay fipetraky ny dina.  Ny fanamby napetrako dia ny hanova ny renivohitry ny kaominina izay lasa milahatra amin’ny farany ankehitriny. Ka raha io no tsy miova mandroso amin’ny tsaratsara kokoa dia tsy hilatsaka intsony aho.  Fa raha ny politika izay apetraka ankehitriny sy ny ny fiofanana azo teto Anosy Antananarivo teto izay niompana tamin’ny fijerena ny fanatsarana ny fomba fitantanana ifotony, dia mino sy mahatoky aho fa hiova io. Ny zava-dehibe koa dia ny fametrahana fa anisan’ny nokilasiana ho kaominina an-tanàn-dehibe i Vohibe na dia kaominina ambanivohitra aza, hoy randrianambinina Charles, ben’ny tanànan’i Vohibe.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT