Efa mihamaro loatra ny mponina eto Iarivo ankehitriny fa efa mananika ny 2 tapitrisa mahery ka mila fandaminanana matotra ny amin’ny fitantanana azy, hoy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Randriambololona Mananjara. Mety araka izany ilay fandanian’ireo depiote ilay lalŕna mikasika ny fandaminana vaovaon’ny tanŕna. Efa tena mihatery ity tanŕna ity ka mila fanitarana misokatra amin’ny tanŕna manodidina, raha ny marina dia mila manova paikady vavao hanasoavana ny vahoaka ny fitantanana eto amin’ity Renivohitr’i Madagasikara ity
Rehefa natao, hoy izy, ny fanadihadihana isan-karazany, na ara-teknika izany na ara-ekonomika na ara-tsosialy dia tena zava-dehibe tokoa ny fifanantonana ny rafitra sy ny fahefana na ny antsoin’ny vazaha hoe “proximité de l'administration”. Tokony ho eny amin’ny Boriborintany ny ny fokontany manomboka izao no manapakevitra amin’ny vola voaagony sy ny fampiasana amin'izay mahapety azy. Mivangongo loatra any amin'ny foibe ny fahefana eto Antananarivo, hoy izy, ka tsy tsy tafita ny fanatsarana tadiavin'ny vahoaka. Tsy midika ho fizarana an'Antananarivo, hoy ity Lehiben'ny Faritra ity, ny fitsinjara ny fehefana tokony ho azy. Ny fokontany moa, hoy izy, dia tsy tafiditra ao anatin'ny vondrom-bahoka hitsinjaram-paritra fa ao anatin’ny fari-piadidiana ara-pitantanana izay eo ambany fiahian'ny "préfet de police" ao amin’ny Boriborintany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.