Taorianan’ny fanohanana ny vokatry ny fikarohana nataony voarakitra anaty boky misy 240 pejy, teny amin’ny Alsh « Domaine Arts Lettres et Sciences Humaines », teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly alakamisy 27 desambra 2018,
no nanambaran’ireo vondron’ny mpitsara niisa 6 notarihan’ny Pr James Ravalison ny fahazoana ny marim-pahaizana « Doctorat en Géographie avec mention très honorable » an’Atoa Randriamamiarizafy Ignace. « La territorialisation des Tic pour le désenclavement régional à Madagascar Cas d’Alaotra Mangoro » no lohatenin’ny asam-pikarohana nataony tamin’izany. Raha adika tsotra amin’ny fiteny Malagasy izy io dia milaza hoe : fampiharana sy fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisana sy fampitam-baovao ho fialana amin’ny fitokana-monin’ny faritra iray ka teto dia ny Faritra Alaotra Mangoro no nofidiany nanaovana izany. Ny fikarohana nataoko, hoy i Randriamamiarizafy Ignace, dia nahafantarana fa azo atao ny manafoana ny tany lavitra Andriana amin’ny alalan’ny teknolojiam-pifandraisana, azo ato tsara ihany koa ny mampifandray faritra maro aminy sy ny mampivoatra ny tontolo ara-toekarena sy ara-tsosialy isam-paritra avy aminy. Ny zava-misy anefa, hoy izy, dia ny sehatra tsy miankina no tena mampiasa azy io eto Madagasikara fa ny fanjakana Malagasy ohatra ny mitazam-potsiny. Voaporofo tamin’ny fanadihadiana natao ihany koa, hoy ihany ity Dokotera vaovao ity, na eo aza ny fisian’ny fotodrafitrasa matanjaka ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, dia tsy manana tranokalam-pifandraisana (Site Web sy Mail) ny sampan-draharaha ary ny rantsamangaikan’ny kaominina ao aminy. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojiam-pifandraisana dia sarotra ny ahazoana vokatra tsara sy maharitra, hoy izy, raha tsy manana anjara amin’ny fanapariahana ny teknolojiam-pifandraisana ny vondrombahoakam-paritra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.