Mitana ny teny voalaza tao anaty boky mena fahiny manao hoe : « Faire l’histoire pour ne pas la subir » aho, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles avy any Moramanga. Ara-bakiteny ny dikan’izany, hoy izy, dia hoe
mandray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena mba tsy hiharan’izany ianao. Efa io Ravalomanana, tonga tsy nampilaza. Tsy hoe miankina amin’ny fahatongavany na tsia ny fampihavanam-pirenena fa tsy maintsy hatao miaraka amin’ireo rafitra efa napetraka hikarakarana izany io ary tokony hamoaka ny zavatra efa voavolavolany sy voadininy tany ny FFM, ny FFKM, ireo Raiamandreny mijoro … Ho an’ireo filoha 5 mirahalahy efa nitantana an’i Madagasikara, inona no fampihavanana tokony hirosoan’izy ireo ? Tsy maintsy hitodihana ny raharaha 71, 72, 75, 82, 91 ny 2002 sy ny 2009 hahitana ny tena marina hirosoana amin’ny tena fampihavanana fa tena ankasitrahan’Andriamanitra io fampihavanana io fa sambatra ny mpampihavana, hoy ny Baiboly fa izy no tena zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy mihavana ny Malagasy samy Malagasy, ny Malagasy sy mpanao politika, ny Malagasy sy ny zavaboary ary indrindra indrindra ny Malagasy sy Andriamanitra. Raha izany no tanteraka, hoy ny depiote Henri Charles, dia ho avy ny famatsiam-bola avy any ivelany, hivoaka sy hitobaka ny harem-pirenena hampivoatra ny fiainan’ny Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.