Tsy dia any amin’ny fampandrosoana na tetikasa goavana no anton’ny nanoloan’ny fanjakana ankehitriny ireo mpikamban’ny governemanta fa mba hanamafisana orina ny fahefana sy ny sezan’ny HVM.
Anisan’ny tsy lanin’ny vavonin’ny HVM mihitsy ny fihetsiky ny kolonely Lylison, izay sahy nanitrikitrika ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fitarihana olona hanao tanàna maty sy nanao vava amin’ny tsy fahatahorana ny fanjakana, ka izao namoahana didy fampisamborana sy fanagadrana izao. Tsy tanteraka mandrak’ankehitriny anefa ny fisamborana azy, kanefa adidy nankinina tamin’ny zandarimariam-pirenena ny fisamborana ity loholona avy amin’ny MAPAR, izay tena mpifanandrina politika voalohan’ny HVM ity, saingy tsy tontosa nandritra ny nitantanan’ny jeneraly Paza Didier. Nanampy trotraka izany ihany koa ny fisian’ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny Bianco nandritra ny nitazonana an’i Claudine Razaimamonjy, izay efa nampandosirin’ny HVM. Na inona na inona fampiadiana ataon’ny mpanao politika ny samy zandary, dia lojika ny mety nisian’ny fifampiarovana ary etika sy tarigetran’ny zandarimaria ny firahalahiana. Tsy manaiky hampifandrafesin’ny mpanao politika, ka izay no mety tsy nisamboran’ny zandarimaria an’i Kolonely Lylison, izay olon’ny zandarimariam-pirenena ihany na inona na inona firehan-kevitra ananany. Tsy hay kosa izay hafitsoky ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard, izay inoana fa olona hatokisan’ny HVM hahatontosa ny iraka hampanaovina azy matoa napetraka eo. Hahavita hisambotra an’i Kolonely Lylison amin’izay ve ny zandarimariam-pirenena taorian’ny nanendrena sekreteram-panjakana vaovao ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.