Actualités

Randrenja Malok’ila Voan’ny homamiadana, mila fanampiana


  • Zoma 18 Novambra 2016

Miady mafy amin’ny aretina etsy amin’ny hopitaly HJRA amin’izao fotoana izao Razafindrakoto Gérard na Randrenja, mpilalao sarimihetsika tao amin’ny Scoop digital fahiny izay efa lasa lehiben’ny tranom-pamokarana Horizon ankehitriny.

  Homamiadan’ny tsinay no mahazo azy, antony nandidiana azy  ny talata lasa teo tsy hihomboan’ny  aretina. Mitaky volabe ny fitsaboana azy hatreto, hoy ny vady aman-janany, antony nanosika ireo fianakaviamben’ny mpanao sarimihetsika hikarakara ilay tolo-tanana ho an-dRandrenja,  izay nampahafantarina ny mpanao gazety omaly. Ny laharam-pinday 034 08 000 50 sy ny 033 06 000 50 no ahafahana mandrotsaka izay foy ho an’ny besinimaro, kaonty efa amin’ny anaran’ny vadin’ny marary.  Ankoatra izay dia fantatra fa hanao fampisehoana goavana etsy amin’ny Coliseum Atsonjombe ny rehetra, ny 27 novambra ho avy izao, raha omen’ny fanjakana alalana. Tonga nanolotra vola mitentina 1 tapitrisa Ar ho an’ireo vady aman-janaky Razafindrakoto Gérard, omaly, ny talen’ny OMACI ( Office Malgache du Cinéma), fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina. Tsiahivina moa fa efa ho dimy volana sy tapany izay no nahararian-dRandrenja ka aretim-bavony sy kibo no niandohany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT