Nivoitra nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro Ranarisoa Désire ny alatsinainy 12 desambra teo fa ho laharam-pahamehana ny famahana ireo olona mianjady amin’ny mponina.
Hisy ny fanavaozana ny drafitrasa fampandrosoana ny Faritra hifanaraka amin’ny drafi-pirenena, ka hovitaina ao anatin’ny telo volana voalohany ny taona 2017. Betsaka hoy ny lehiben’ny Faritra vaovao ny fotodrafitrasa mila hatsaraina ; eo ny lafiny fanabeazana, fambolena ary indrindra ny lalana. Nasiany teny manokana ny tsy fandriampahalemana izay nirongatra taorian’ny fahatongavan’ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany any Ambatondrazaka. Hanome tanana ny miaramila amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana ny fiadidiana ny Faritra, hoy izy. Mangataka fifanomezan-tanana amin’ny fitondrana foibe anefa ny tenany amin’ireo ezaka tiany hotratrarina. Marihina fa tonga nanome voninahitra io fotoana io ireo lehiben’ny Faritra nifandimby hatramin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, ny tetezamita ary ny tamin’izao Repoblika faha-4 izao. Nilaza Ranarisoa Désiré fa anisan’ny tanjony ny hampiray hina ny zanaky ny Faritra.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.