Fanovana governemanta ! Miresaka an’io hatramin’ny olon-tsotra amin’izao. Manana ny fahitany ny zava-misy Ranaivoson Jean Désiré.
« Hatreto aloha dia tsy mahafa-po ny sokajin'olona rehetra ny zavatra vita sy ny fomba fiasan'ny fitondrana », hoy ity Filohan’ny Filoha nasionalin'ny PNJ (Plateforme Nationale des Jeunes) sady Mpandrindra ny fiarahan'ny Antoko Marina sy ny PNJ ity, ary efa mpikambana tao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Nitanisa ohatra vitsivitsy izy ho porofo toy ny tsy fisian’ny filaminana politika (stabilité), manapatra fahefana amin'ny fifidianana... Ny ara-toekarena, hoy hatrany izy nanohy, dia « io iaraha-mahita io fa mifanipaka ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fitondrana ». Amin'ny ara-tsosialy dia iainana isan'andro ny olana na sendika io, na vahoaka eny ifotony io, eny fa na ny kolontsaina aza dia olana ihany koa... Ny fanontaniana, hoy Ranaivoson Jean Désiré dia ny hoe : ny olona ve no tsy mahay sa ny programa no tsy mipetraka tsara sa ny rafitra iasana no tsy mety ? Izy ihany moa no mamaly fa “tena mila fanovana ny firenena saingy tsy ny olona fotsiny fa ny fomba fiasa sy ny programa ary ny rafitra”. Tsy tokony handeha ila, araka izany, ny fanovana ny Governemanta fa misy zavatra betsaka miara-dalana aminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.