Actualités

Ranaivoson Henri “Io Lalŕmpanorenana io no fototry ny olana eto”


  • Zoma 15 Aprily 2016

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena, eny fa na ny Malagasy mpila ravinahitra any ivelany aza, manoloana ny toe-draharaham-pirenena.

 

 Anisan’ireny Ranaivoson Henri, izay « Chief of Staff » tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, ary mila ravinahitra any Canada any ankehitriny. Hampandroso an’i Madagasikara ve io lalàmpanorenana ifehezana ny tany sy ny fanjakana io ? Ny heviny :

Tsy mpahay manokana momba ny Lalàmpanorenana akory ny tenako, hoy Ranaivoson Henri, fa manampahaizana momba ny “management public”, fahaiza-mitantana ary ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ny Lalàmpanorenana, araka izany fiantsoana azy izany, dia midika tsotra ho lalàna mifehy ny fototry ny fanorenana ny firenena. Koa rahefa ny fototra no tsizarizary dia mitsirara fotsiny izao ny firenena iray. Ny Lalàmpanorenana dia natao hametraka fitsipi-fifehezan’ny fitondram-pahefana ary ny rafitra sy ny fifandraisan’ny andrimpanjakana ao anatiny. Ny tanjon’ny Lalàmpanorenana dia natao hamerenana ny fitokisan’ny Malagasy tsy ankanavaka fa tsy ho fanambakana azy. Io ilay dina sosialy nambaran’i Jean Jacques Rousseau, mpanoratra frantsay. Misy rahateo ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay azo heverina fa zandary mpiaro ny lalàmpanorenana.

Madagasikara dia firenena mbola tanora herotrerony, vao 55 taona no nahaleotena nefa in’efatra sahady no niova Lalàmpanorenana (1960, 1975, 1998, 2007 ary 2010). Isak’izay miova mpitondra na firehan-kevitra dia manova Lalàmpanorenana. « Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha ! » Mazava ho azy fa ny fototra mihitsy no olana ary tsy mahagaga raha tonga amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Raha tena zohina akaiky dia aretin’ny mpitondra malagasy rehetra nifandimby io dia mieritreritra ary mizahozaho ka arafitra amin’izay itiavany azy ny Lalàmpanorenana hahafahany mijanona maharitra eo amin’ny fitondrana ary handrovitana ny teo alohany. Ity angamba no tonga amin’ny hiran’i Dama hoe : « Ireo mpitondra hatramin’izay, dia mihevitra fa azy ireo irery ny tany ». Haintsika tsara anefa fa ny Lalàmpanorenana anisan’ny ela indrindra dia ny Lalàmpanorenana amerikanina. Nekena tamin’ny 17 septambra 1787 ary nampiharina ny 17 martsa 1789. In-27 no nisy fanitsiana hatramin’izay ka hatramin’izao. Izay fahamarinan-toeran’ny Lalàmpanorenana izay no anisan’ny nampandroso ary maha voalohany ara-toekarena sy ara-demokratika ny Amerikanina eran’izao tontolo izao.

Aiza ho aiza amin’izany ny Lalàmpanorenana Malagasy amin’izao fotoana izao, izay natao amboletra ny fandaniana azy tamin’ny 2010 sy nolazain’ny maro fa fifidianana tsizarizary fa na kara-pokontany aza azo nifidianana ? Hitondra ny firenena mankaiza io ? Io ve no heverina fa hampandroso ny firenena ? Na ny mpiara-miombona antoka amintsika aza tsy nankasitraka an’io fa efa leo loatra tamin’ny krizy Malagasy ka notereny “ho masaka toy ny voalobo-jaza” ny fifidianana ka hatramin’izay vola notadiavina rehetra dia nomeny.

Raha mazava tsara sy azo hiainana ny Lalàmpanorenana dia mora ho an’ny mpandraharaha sy ny hery velona rehetra ny mampitombo ny harinkaren’i Madagasikara. Ho tsaratsara kokoa ny fitokisan’ny Malagasy ny mpitondra azy fa raha mbola io no hatao amboletra hitantana ny firenena dia ho sarotra ny raharaha ho an’izay mpitondra rehetra eto Madagasikara.

Rehefa zohina ny rijan-teny dia mavesatra loatra ho an’ny Fanjakana malagasy io Lalàmpanorenana farany io fa na izy aza tsy manana ny hoenti-manana eo am-pelatanany hanatanterahany ny fepetra ao. Hamoa-doza ihany koa ny fanomezana samirery ny filohan’ny Repoblika ny fahefana hanitsy lalàmpanorenana. Re etsy sy eroa ankehitriny fa hanova izy ary atahorana ho fanovana any amin’ny ratsy satria hapetrany ny arofanina tsy ahafahan’izay nitondra rehetra teo alohany hanelingelina ny fahalaniany amin’ny 2018. Nefa hiteraka zava-doza ho an’ny firenena ny fanakavahana harosony ka ho izy no ho tompon’andraikitra amin’izay zava-hitranga eto amin’ny firenena. « Ny hanongotsongoana ny maty, tahotra ny handevim-belona », hoy ny fahendren-drazantsika.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT