Manoloana ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ankehitriny amin’ny fisian’ny fihetsika mamoafady mitranga etsy sy eroa manerana ny nosy dia tsy nisalasala naneho ny heviny Atoa Raminohery Etienne,
“Aumônier universitaire et militaire FFPM” sady sekretera jeneralin’ny Ezaka Vaovao Mahafaly eto Madagasikara, ka nilaza fa reraka sy valalanina amin’ny fisaratsarahan’ny hevitry ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika izay samy miady mafy ny hanasoa ny vahoaka amin’ny fombany avy ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Izay zavatra hatsangan’ny Fiangonana harodan’ny Mpanao politika ary izay hatsangan’ny mpanao politika kosa harodan’ny fiangonana noho izany. Amin’ny maha mpitondra fivavahana ahy no hilazako amin’ny teny frantsay, hoy izy fa “L’Eglise ne fait pas de la politique partisane, elle reste un adversaire politique dangereuse dans le pays”. Mila fanarenana ara-panahy sy ara-moraly matotra ity firenena ity ary mila olom-banona mitondra azy. Ny olom-banona anefa tsy vonona fa ny olona vonona tsy vanona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.