Actualités

Ramiaramanana Joseph Mihantsy ady amin-dRavalomanana …


  • Zoma 14 Aprily 2017

Tsikaritra ho misetrasetra sy mandrangaranga hery mihitsy ny kolonely Ramiaramanana Joseph, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteram-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany (M2PATE) amin’ny fandravana trano ataony ankehitriny.

 Izy mihitsy no mitarika andian’olona sy mpitandro ny filaminana. Tsy misy asa atao ve eo anivon’ity minisitera ity sa tsy ampy ny mpiasa, ka aleony mirotsaka an-tsehatra amin’ny fandravana trano etsy sy eroa ? Etsy Ankorondrano, ohatra, dia mbola mitohy hatrany ny fandravana fananan’ny Orinasa Tiko, ka izy no lehiben’ireo mpandrava. Raha tsiahivina, izy koa no nanao botolo sy namaky ny kazerina misy ny polisy monisipaly tetsy Anosipatrana, ary naka ireo fiarabe izay mpanototra tany tsy ara-dalàna. Toa tsy maty voalavo an-kibo ny lehilahy taorian’ny tsy naha PDS teto Antananarivo azy intsony, ary lasa mahery fihetsika mihitsy rehefa nomen’ny fanjakana HVM seza ao amin’ny M2PATE ka misetrasetra. Olona sahirana ara-pivelomana no voalaza fa karamainy amin’ny vola kely varaventy hanampy azy amin’ny asa fandravana izay ataony. Mandeha ny resaka fa dia ny anaran’ny filoham-pirenena izay mety tsy mahalala na inona na inona akory no entiny sy isalorany rehefa manao ny setrasetrany izy. Manontany tena ihany koa ny maro hoe aiza ho aiza ny fepetra sy sazy tamin’ireny barofo sy tsy fanarahan-dalàna nataony teny Anosipatrana ireny ? Sa rehefa manana basy aman-tafondro dia afaka manao izay tian-katao sy ambonin’ny lalàna ?


Toky R 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT