Nivoaka tamin’ny fahanginany ny rain’i Arnaud omaly nandritra ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny tonia mpampanoa lalŕna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Atoa Rajaona Thierry, izay nanazavany ny mikasika ny raharaha Arnaud“.
Aoka hijanona amin’ny fakana an-keriny an-janako ny tranga na fakana an-keriny eto, fa tsy azo ekena izany fitadiavam-bola amin’ny fanaovana takalon’aina olona izany. Hofongorina izao tambajotra izao, fa tsy azo ekena raha ao anatin’ny herintaona monja dia am-polony ny tranga nisy, fianakaviana maro no velom-pitaintainana, ary misy mihitsy ny mamoy ny ainy”. Izay no nambaran’Atoa Ramialiason Arlan rain’i Arnaud, tao anatin’ny teny hentitra sy endrika malahelo nilaza ny tao am-pony. Tsy adinony ihany koa anefa ny nisaotra ireo mpitandro ny filaminana nanafaka an-janany teo ambany ziogan’ireo nihazona azy an-keriny sy ireo vahoaka nifampizara ny vaovao taminy nahafahana nanafaka an’i Arnaud. Nomarihany koa fa salama tsara ny zanany na somary mbola manahirana ihany ny miresaka aminy tamin’ny zavatra nahazo azy, na efa vita aza ny fakana am-bavany azy nataon’ny polisy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.