Actualités

Ramatoa 60 taona nivarotra rongony Nalefa eny amin’ny fonjan’ Antanimora


  • Zoma 24 Mey 2019

Ramatoa tokony ho 60 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy ny alarobia 22 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, teny Amboanjobe Andoharanofotsy.

 

 

 

 Raha tsiahivina, nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana fa misy mpivarotra rongony henjana eny an-toerana. Nidina avy hatrany teny ny polisy ka tratra tao an-tranony teo am-pivarotana rongony ilay ramatoa. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana gazety maromaro ampiasaina hamonosana ny entna,  ary rongony iray fonosana izay ambiny tsy lafo sy sachet iray feno potika rongony no mbola tratra tao. Tamin’ny fanadihadiana natao  azy dia niaiky izy fa azy ny entana ary eny Andoharanofotsy no fividianany azy. 15.000 Ar no hividianany ny iray sachet ka tsinjarainy ary hamidiny 1.000 Ar  ny fonosana iray. Nilaza ihany koa izy fa mahalafo 30 fonosana isan’andro. Nambarany fa efa nigadra teny Antanimora izy, dimy taona lasa izay ka nihidy teny nandritra ny 12 volana  noho rongony ihany.  Natolotra ny fampanoavana omaly ary naiditra am-ponja vonjimaika ny tenany.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT