Isaorana ny Bianco sy ny sendikan’ny mpitsara, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis, tamin’ny ezaka efa vitan’izy ireo.
Tsy ireo trondrobe teo amin’ny resaka kolikoly ihany anefa, raha ny heviny, no tokony hosaziana sy hampiharana lalàna fa ireo nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena koa. Ny taona 2009, hoy izy, no tena nirongatra izany ary tsiahivina fa 500 tapitrisa dolara no tentim-bidin’ireo andramena naondrana an-tsokosoko tamin’ny fotoan’androny. Mahagaga ny tsy nahitana ny fivoahan’izy ireny teto, hoy izy, nefa dia voaisan’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny tokony hohadihadiana koa ireo raharaha mikasika ny sokatra sy volamena ary harena an-dranomasina sy ankibon’ny tany be dia be nivoaka an-tsokosoko hatramin’izao raha tiana ny hiroso amin’ny fampihavanana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.