Tsy marina ny filazana fa nitsoaka sy tsy niseho teny amin’ny Bianco i Mbola Rajaonah, hoy ny mpisolovava azy Eric Rafidison, omaly. Tonga namaly ny antson’ny BIANCO ny Filoha tale jeneralin’ny vondron-tserasera RLM Communication i Mbola Rajaonah ary niatrika ny fanadihadiana natao azy omaly maraina.
Noho ny fampiantsoana nifanotona tamin’ny teny amin’ny Filankevi-panjakana na ny « Conseil d’Etat » no tsy nahafahany namaly ny fiantsoana tamin’ny zoma fa tsy arakaraka ny novoizina fa nisitrika sy nitsoaka, raha ny fanazavana. Ankehitriny, efa naaton’ny « Conseil d’Etat » ny fandrarana azy tsy hivoaka ny faritr’i Madagasikara (IST) fa tsy nanana eritreritra hitsoaka ny tenany fa vonona hatramin’ny farany hiatrika ny fanadihadiana hatao azy, raha ny fanazavana hatrany. Tombanana ho antsojay ara-politika no nanenjahana fatratra azy satria nanome vahana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fampielezan-kevitra ny orinasan-tseraserany, ary miara-dia sy resy lahatra amin’i Marc Ravalomanana izy. Karazan’ny efa milamindamina ny raharaha Mbola Rajaonah amin’izao fa mby aiza kosa ny afera Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina ? Voatonontonona matetika amina resaka fahazoana harena azo tamin’ny fomba tsy ara-drariny rahateo ireto mpanefoefo roalahy ireto ary ny iray dia kandida filoham-pirenena. Efa ireny niaraha-nahalala ireny rahateo ny fitoriana nahazo an-dRajoelina mivady izay nisy nitory tany Frantsa ny volana septambra teo noho ny fahazoana harena tamin’ny fomba tsy ara-drariny, ny fanondranana boaderozy … Andrasana ny fisokafan’ny dosie mikasika an-dRavatomanga any Frantsa noho ny tranobeny sokajiana ho harena azo tamin’ny fomba maloto, efa nalaza hatry ny ela. Raha ny loharanom-baovao iray amin’izao dia amin’ny 28 novambra no mety hisy ny fampiantsoana an-dRajoelina sy Ravatomanga any amin’ny fitsarana Frantsay noho ny harena azo tamin’ny fomba tsy dia mazava saingy andrasana izay ho fahamarinany. Mey izay ve izany no maha maika hahazo fahefana mba hahazoana fiarovana ka nanasana atidoha ny Malagasy teto hoe tsy maintsy “1er tour” dia vita ? Miandry izay hiseho ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.