Ny lalana sy ireo fotodrafitrasa maro efa vitan`ny fitondram-panjakana arahina amin`ny lafiny tsy fandriampahalemana ary fampananan`asa ho an`ny tanora no nasongadin`ny filoha Rajoelina nandritra ny fihaonana tamin`ireo Malagasy mpila ravinahitra mipetraka any Parisy Frantsa ny sabotsy lasa teo.
Novelabelarina ireo tetikasa maika eo amin`ny lafiny fandriampahalemana, fanatsarana ny sosialim-bahoaka, ny fitantanana raharaham-panjakana amin`ny ankapobeany, ny fampandrosoana ny indostria sy ny toekarena. teo ihany koa ireo fotodrafitrasa tena ilaina toy ny sekoly ny fahazoana rano fisotro madio ary ireo tetikasa fanajariana ireo tanàn-dehibe toy ny fananganana ny Tanamasoandro izay atomboka amin`ity taona ity. Fotoana nampitahana soso-kevitra sy nijerena miaraka ireo paikady hampandroso an`i Madagasikara izao, hoy ny Diaspora Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.