Tsy nifidy an’ilay lalŕna misy ny fizarazarana an’Antananarivo Renivohitra ny tenako, hoy ny depiote Rajhonson Lantoarijaona Maminiriana Tsitohaina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, satria efa fantatra fa ratsy iny volavolan-dalŕna iny ary hanimba zavatra be dia be amin’ny fitantanana an’Antananarivo
. Nivoaka ny efitrano fivoriana izahay, hoy izy, satria natao amboletra ny fifidianana an’io volavolan-dalàna io. Ny fifanarahana tamin’ny fanohanana ny PMP tsy midika hoe tsy maintsy hitohy amin’ny fanohanana an-jambany ny vondrona parlemantera HVM. Ampy azy ny fivoahanay ny efitrano hilazana fa tsy afaka hanohana zavatra ratsy izahay. Raha tsiahivina, ny lalàna nitondrana an’Antananarivo tamin’ny taona 1999 dia manamarina fa afaka nampandroso marina an’Antananarivo ny mpitondra tamin’ny fotoanandrony dia Atoa Marc Ravalomanana fa misy izany te hiafinafina ao ambadiky ny lalàna amin’izay mety tsy ho fahombiazana. Na eo aza izany, izahay ankolafy Ravalomanana tsy matahotra fifidianana fa vonona hiatrika izany ka mahazo mahatoky ny vahoakan’Antananarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.