Toy ny antso an’efitra ny fanairana ataon’ny raimandreny am-panahy ho an’ny mpitondra eto amintsika.
Amin’ny maha raiamandreny am-panahy azy dia tsy mikely soroka ireo mpitondra fivavahana toy ny fivondronamben’ny Eveka mampaneno lakolosy manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena. Noho ny fanadinoan’ny mpitondra ny vahoaka no mahatonga azy ireo mijoro misolotena ireo ondriny ka manaitra ny mpitondra saingy tsy izay no handraisan’ny fanjakana ankehitriny azy. Vahoaka iaraha-manana ny Malagasy ka rariny ny raiamandreny am-panahy raha mijoro hanitsy ny fitondrana noho izy ireo sokajiana ho mpitari-dalana sy mpanitsy ny dian’ireo mivaona. Ho an’ny mpitondra kosa dia resaka politika sy fanoherana azy no handraisany fanehoan-kevitry ny raiamandreny am-panahy ka fanomezana lamosina sy toa endrika famaizana no setriny. Iza ihany ary no olona ekena sy henoin’izao fanjakana izao teny e ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.