Anisan’ireo depiote roa lany ho mpitsara mpanampy eo anivon’ny Fitsarana Avo eto amintsika ny depiote Raharinirina Sidonie avy any Mananara Avaratra.
Hitsara an’ireo mpitondra fanjakana eto amintsika amin’izay mety ho fandikan-dalàna hataony eo amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena no andraikitra miandry anay mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo, hoy izy. Rafitra vaovao eto amintsika mety hamongorana ny tsy matimanota izy io ka tsy tokony hanaovana sangisangy, hoy ity depiote ity. Hatreto aloha dia tsy fantatra avokoa izay ho mpikambana ao ka tsy mbola fantatra marina ho tena firaisankinanay ao. Ho ahy manokana izay depiote tsotra lany ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena dia antenaiko fa hitondra fanovana eo amin’ny asa fitsarana atao ny isiana tsy “magistrat” eo anivon’izany rafitra izany. Izaho tsy mpanao politika no lany depiote izay tena nantenain’ny vahoaka fa hitondra fanavaozana ho azy ka mino aho fa ohatran’izany koa ny eo anivon’ity Fitsarana avo ity. Izahay moa ety anivon’ny Antenimiera dia misy tompon-toerana roa sy mpisolo toerana roa ka arakaraka ny fifanarahana ihany no hahazoana mandrindra ny asa hataonay efatra mianadahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.