Actualités

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Mbola tsy milamina foana ny resaka fitanana an’ireo ombin’ilay mpandraharaha Jaonary ao Antanimeva Morombe efa ho iray volana katroka izao (nanomboka ny 25 jolay 2019).

 

 

 Araka ny resaka nampitain’ny mpisolovavan’ity mpandraraha ity, Me Rasoanirina Elisoa, nivantana avy any Antanimeva tamin’ny mpanao gazety teny Andranomena tamin’ny sabotsy faha-17 aogositra teo dia nanatanteraka fanavahana an’ireo omby  indray ny vaomiera manokana ahitana  ny filoham-pokontanin’Antanimeva, ny ben’ny tanàna any an-toerana, ny delegem-panjaka, ny lietna mitarika ny opération fampandrian-tany ary ny komandan’ny Zandarimaria any an-toerana, ka na voaporofa aza fa tsy nanana taratasy mazava ireo nilaza ho very omby dia mbola notanana ihany ireo omby miisa 47 nisy voalaza  fa misy tompony fa ny omby 507 kosa dia notapahin’ny vaomiera  fa haverina any amin’ny valan’Atoa Jaonary any Maharihy Morombe rehefa nandoavan’ny fianakaviany “droit de fourrière” nitentina 7 hetsy ariary mahery kely. Rehefa lasa sahabo ho 15 km anefa ireto omby noroahina dia nilatsaka ny baiko avy any ambony, hoy ity mpisolovava ity, fa mila miverina any Antanimeva indray ireo omby ireo fa tsy maintsy miandry tompon’andraikim-panjana mahefa avy amin’ny ministera ho tonga any an-toerana rahampitso talata 20 aogositra 2019 indray vao hakana  fanapahan-kevitra manaraka. Ahiana hisy famitahana ny fanjakana foibe ity resaka fitanana ombin’olona ity, hoy Rtoa mpisolovava, fa ohatra ny mivoana amin’ny fampandrian-tany kendrena. Ny tenako kosa mihevitra,  hoy Atoa Mahatratsy Jean zaodahin’i Jaomiary fa tokony ho jeren’ny fanjakana foibe haingana ity raharaha ity fa mety hanome endrika ratsy hoan’ny fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy.  Manao anto avo amin’ireo fikambanana ara-drazana rehetra koa ny tenako, hoy izy, fa mba handray fepetra matotra fa  Atoa Jaonary aloha izao  no iharan’ny anjojay fa mety hihatra amin’ny rehetra koa izany.  

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT