Marina ny tenin’ny filoham-pirenena, ny minisitry ny fitsarana ary ny Amnesty international, hoy ny mpahay lalàna Olala na Willy Razafinjatovo,
raha naneho ny heviny mikasika ny fitarazohan’ireo raharaha eny amin’ny fitsarana izay mampikolay ny maro tato ho ato. Marina satria milona tokoa ny dosie ao amin’ny fitsarana ao ary ny olona any am-ponja dia mijanona any fotsiny. Toy izany koa ny ady madio, ny resaka ady tany, fisarahana. Misy maharitra an-taonany mihitsy, hoy hatrany ny tenany. Anisan’ny lasibatra amin’izany moa ity mpahay lalàna ity, raha ny fanazavany. Manana dosie izay fantatry ny rehetra aho, hoy izy, ilay nandeha Codis. Nangatahako fampiakarana na “pourvois en cassation” io rehefa nisy didy nivoaka tamin’ny fampanoavana na “cours d’appel” sy filankevi-pitsarana na “toutes chambers reunies”. Rehefa nanao ilay “cassation” izao sy ny mpisolovava dia nampiditra koa ny atao hoe “suspension d’execution” na fampitsaharana didy. Tokony hivoaka 8 andro, hoy izy, ny valin’io raha napetraka tamin’ny 9 jolay teo. Izaho mpisolovava aza, hoy ny tenany, manana dosie milona ao efa ho 3 volana mahery izao ka mainka fa ny olon-tsotra, izay tsy omeko tsiny raha mimenomenona ? Ny tena mampalahelo, hoy izy, dia ireo mpitsara kely vao manomboka asa foana no voateniteny fa tsy ireo tena mampilona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.