Hafampana ny toe-draharaha eto an-drenivohitra rahampitso sabotsy noho ny fisian’ny hetsika politika sy fitakiana. Na ny resa-politika na ny fitakian’ny mpanao gazety dia samy hanamarika izao fiafaran’ny herinandro izao avokoa.
Raha ny fanambarana nataon’ny mpitarika ny hetsika fanalalahana ny fanehoan-kevitra nandritra ny fihaonana teny amin’ny foibenin’ny Free FM Antanimena ny 30 septambra lasa teo dia rahampitso no hitohy ny amin’ny alalan’ny fanangonan-tsonian’ny olom-pirenena mba ho fiaraha-mientana amin’ny fanoherana ny lalànan’ny serasera amin’ny endriny ankehitriny, ka handrafetana vaovao. Mitana ny sain’ny maro ihany koa ny hetsika politika karakarain’ny “Mitsangana ry Malagasy” eny Andrefanambohijanahary. Raha ampitahaina amin’ny hetsika tamin’ny 19 jolay 2016 dia niha nahazo vahana izy io tamin’ny 27 aogositra teo. Antoko sy mpanao politika maro no efa nanatevina ity hetsika ity. Hita teny an-toerana ny 27 aogositra teo ny praiminisitry ny tetezamita, kandidan’ny MAMIMAD tamin’ny fifidianana senatera, Jean Omer Beriziky, ny kandida filoham-pirenena isany Sylvain Rabetsaroana, Hajo Andrianainarivelo (MMM), Rabearison Roland Dieu Donné na Vahombey. Hita teny an-toerana ihany koa i Christine Razanamahasoa (MAPAR), Lanto Rakotomavo MOVMA, Faniry Alban Rakotoarisoa (APM ), Holijaona Raboanarijaona (Emergence Madagascar), Faniry Razafimanantany (AFP ), Patrick Georget (Antoko Maitso) … Tanjon’ny Mitsangana ry Malagasy ny hampitsaharana izao fitondrana misy ankehitriny izao ka hirosoana amin’ny fifidianana alohan’ny fotoana. Tsy nambaran’ny mpitarika kosa ny loharanom-bola hahafahana manatanteraka fifidianana, izay mila 75 ka hatramin’ny 125 tapitrisa dolara eo ny fikarakarana azy. Ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina, Rtoa Hawa Ahmed, fa vahoaka no hibaby ny kitra amin’ny fanaovana fifidianana alohan’ny fotoana izany, ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara amin’ny 2018 kosa no hamaritra izay tena andrian’ny fon’ny Malagasy hitarika azy any amin’ny fampandrosoana hampihiratra ny anjara masoandrony.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.