Betsaka ireo ankizy sy tanora voaresaka nanaovana antso avo tamin’ny tambajotran-tserasera facebook tato ho ato fa tsy hita.
Misy amin’izy ireny no sendra ny olon-dratsy tokoa toy ilay tovolahy kely iray mpianatry ny Esca izay mbola mitsabo tena ankehitriny. Misy ihany koa anefa ireo manao hadalana tsotra izao. Lohalaharana amin’ireny ny fitsoahana miala ao an-tokantranon-dray aman-dreniny. Ny resaka fitsoaham-ponenana, araka ny nambaran’ny sampandraharahan’ny “Police des moeurs et de la protection des mineurs” no tena betsaka misy amin’izao. Havitsiana ny resaka fakàna an-keriny, izay 1 na 2 eo ihany, hoy izy ireo ary tonga dia alefan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona any amin’ny brigady misahana ny heloka bevava. Tanora, latsaky ny 17 taona ny ankabeazan’ireo ankizy tsy hita raha ny fantatra. Noho ny disadisa misy eo anivon’ny fianakaviana na ray aman-dreny no mahatonga izany. Misy ohatra, araka ny nambaran’ny kaomisera lefitry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny kaomisera Volana ireo ao anatin’ny “crise d’adolescence” ka matahotra ny ho bedy na nanao ditra dia mitsoaka ny tranony. Matetika moa dia miverina na hita any an-tranon-dray aman-dreniny avokoa ireny ankizy mitsoaka ireny. Na izany aza dia tsy maintsy mandalo ao amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona izy ireny, hanaovana fanadihadiana sy hanontaniana ny antony nitsoahany. Arahina fanazavana ny amin’ny mety ho loza hihatra aminy …. Ilay olona nitazona azy kosa dia mahazo taratasy “mise en cause pour détournement de mineur”. Nanentana moa ny kaomisera Volana fa tokony ho mahana ny ray aman-dreny, indrindra amin’ny fijerena akaiky ny zanany, rehefa tonga ao anatin’ny vanim-potoanan’ny adolan-tsento. Raha apetraka kosa ny salan’isa tamin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2018, dia mitotaly 329 ireo trangana zaza very na tsy hita. Fitsoahana an-trano ny 250 isa tamin’izay raha tsy fanjavonana kosa ny 72 isa ambiny.
Pati sy Aina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.