Actualités

Raharaha tanin’Andohatapenaka Efa eo am-pelatanan’ny Vondrona afrikanina


  • Talata 12 Janoary 2016

Diso fijery ny mpitondra fanjakana milaza fa ho marin-toerana amin’izay taorian’ny fifidianana loholona farany teo.

 

 Mijanona ho vahaolana fototra amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara mantsy ny tondrozotra neken’ny Malagasy teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny taona 2011. Nohamafisin’ny solontenan’ny Vondrona afrikanina rahateo izany tamin’ny fandalovany teto Madagasikara ny herinandro lasa teo. Tsy mbola tontosa hatramin’ny farany anefa ny fampiharana ireo andininy voalazan’io soridalana efa lalàna manan-kery eto amin’ny firenena Malagasy io. Mbola vary mangatsiaka, ohatra, ny fanokafana ireo haino aman-jery voatery nakatona na koa ny fiarovana sy famerenana manontolo ny fananan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aminy. Iray amin’ireny ny tany eny Andohatapenaka mampifanolana ny orinasa Tiko sy ny fanjakana izay efa hananganan’ity farany ireo fotodrafitrasa hitsenana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia. Teboka iray goavana noresahan’i Dada tamin’ny lehiben’ny delegasionina Brahimi Lakdhar moa izy io ka hiaraha-mahita eo ihany ny ho tohiny. Ny fantatra aloha dia hihaona tsy ho ela amin’ny mpampahalala vaovao mikasika ity raharaha ity indray ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny vondron’orinasa Tiko.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT