Actualités

Raharaha Tanamasoandro Tsy milefitra ny vahoaka


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Niara-nanao santa-bary sy fifampiarahabana nahatratra ny taona ny mponin’Ambohitrimanjaka, Fiombonana, Ankadimanga, Ambohidrapeto ny sabotsy teo.

 

 

 Tsara fitontona satria namaly ny filazan’ny fanjakana fa tanimbary efa tsy mamokatra intsony, ka dia io aseho io fa tena mamokatra, hoy ireo vahoaka. Hatramin’ny faha-mpanjaka ny santa-bary tahaka izao, ary aoka ho fantatry ny rehetra, fa ny varin’Ambohitrimanjaka no nentina nanaovana santa-bary tamin’ny andron’ny faha mpanjaka, hoy i Eric Randrianaivo. Mianara aloha tantara ianao mialoha ny hijabajabahanao amin’izany fanorenana tanàna vaovao izany fa masina ny ety Ambohitrimanjaka, ary anisan’ireo vohitra 12 masina, hoy ny hafatra miantefa amin’ny minisitra lefitra miantefa amin’ny tanàna vaovao Atoa Zasy Angelo Christian. Ohatra ny manahy izahay fa rehefa tsy nahomby ireo tompon’andraikitra avy eto Antananarivo dia nakana olona avy any amin’ny faritra. Miala tsiny fa tsy miresaka adim-poko fa fanamarihana izay. Efa nampitaina tamin’ny filoha, ary efa tafita ny hafatra fa tsy manohitra ny fampandrosoana fa mangataka ny hamindrana azy io any an-toeran-kafa. Miandry ihany koa ny valin’ny taratasy efa nalefa tany amin’ny mpitondra. Izahay dia tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay hatramin’ny farany, hoy ireo mponina. Mihamafana indray ny raharaha amin’izao fotoana izao. Ny fanjakana io efa ho avy masiaka matoa nasiana minisitra lefitra momba ny tanàna vaovao. Ny filoha toa mihevitra hoe ny serasera nentina nandresen-dahatra ny olona no tsy nety, dia hoe hilamina rehefa izy no miditra an-tsehatra. Izy rahateo efa nilaza fa ho avy hiresaka amin’ny vahoaka eny an-toerana. Iza izany no hilefitra voalohany ? Ny fanjakana manana ny tetikasany ary fampanantenan'ny filoha io. Heverina hoe anisan'ny antony 1 nifidianan'ny olona azy. Noho izany tsy maintsy tanterahany io. Etsy an-kilany ny vahoaka hifikitra amin'ny taniny, tanimbariny, tanindrazany. Tsy hoe resaka fitadiavana sy fameloman-tena fotsiny fa ny maha izy azy mihitsy, kolontsaina sy fomba amam-panao ary lovan-drazana. Tsiahivina fa nisy teny nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-keviny hoe: “tsy haka ny taninareo aho, fa hanome aza”, ary isan’ny averimberin’ny olona io!

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT