Actualités

Raharaha SYGMMA Hiakatra fitsarana indray amin’ny 21 oktobra


  • Sabotsy 08 Oktobra 2016

Ny 21 Oktobra ho avy izao indray no hiverina hanao fanadihadiana lalina mikasika ilay resaka fanodinkodinam-bola tsy mazava eo anivon’ny Sygmma na ny “Syndicat géneéral Maritime de Madagascar” ny Fitsarana etsy Anosy.

 

  Afak’omaly alakamisy no efa niakatra  teny  an-toerana  ny raharaha saingy naverina indray hahafahana mandalina izany kokoa, raha araka ny loharanom-baovao voaray. Raha tsiahivina moa dia  efa nisy mihitsy ny safotofo teo amin’ireo samy mpikambana eo anivon’ny  Sygmma manerana ny Nosy teo aloha teo ka anisan’ireny ny fanatanterahana ilay fihaonam-be teto an-drenivohitra na ny AG. Somary nangina kely anefa izany saingy na izany aza tonga hatreny amin’ny Fitsarana ny raharaha noho ity resaka fanodinkodinam-bola ity. Mahatoky ny fahendren’ny Fitsarana araka izany ireo mpikambana mba hahafahana mamoaka ny tena marina. Tsiahivina moa fa ny Sygmma dia sendika iray miaro ny zon’ireo tantsambo rehetra  eto amintsika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT