RAHARAHA SUCOMA
« Misy ambadika », hoy ny minisitra Jules Etienne
fifanarahana natao tamin'ny mpiasan'ny orinasa Sucoma sy ny mpampiasa mikasika ny fitakian'ireto farany ary efa nanaiky izany ny mpiasa. Ny nahavariana dia haingana dia haingana tokoa ny fivoaran'ny toe-draharaha. Mety nisy tamin'ireo olona nanao fitokonana no tsy mpiasan'ity orinasa ity akory fa anjaran'ny mpitandro ny filaminana no manao ny fanadihadiana mifandraika amin'izany. Ekena fa nilaza izy fa tsy vita ilay smig 320.000 Ar karama farany ambany notakian'ny mpiasa saingy na izany aza nilaza kosa ny mpampiasa fa hanome indemnisation ireo mpiasa raha ilaina izany mba hamenoana ny banga. Vokany, potika hatrany amin'ny 95% ny orinasa. Olona 10.000 isa eo ho eo ihany koa no tsy an'asa. Nanambara anefa ny tenany fa ny fametrahana ny fitoniana ara-tsosialy any an- toerana aloha izao no tena maika hialana amin'ny famonoana olona toy ny nitranga tamin'ny herinandro. Aorian'izay vao hiroso amin'ny fandaminana ny orinasa izy ireo. Raha araka ny vaovao azo omaly ihany moa dia milanja 4750 taonina sisa izao ny ambin-tsiramamy tavela ao amin'ny Sucoma.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.